Efa nisy lahantsoratra (jereo ato) nataoko mikasika ity fiakaran’ny tapakila fidirana amin’ny valan-javaboahary (PN) ity fa amin’ity indray mitoraka ity dia ataoko amin’ny teny malagasy ranoray satria malagasy ihany no tiako hamaky azy, indrindra fa ireo malagasy izay sorena. Niakatra tokoa ny vola fandoa raha hitsidika PN eto Madagasikara ary ireo mpizahan-tany vahiny no tena iantefany satria ny vola aloan’ny malagasy dia ambany ihany na nahitana fisondrotana koa aza. Noho io elanelana be eo amin’ny vazaha sy malagasy io indrindra no mampimenomenona ny olona sasany izay tsy hafa fa malagasy ihany. Lazain’izy ireo mantsy fa tsy rariny loatra ilay fahasamihafana. Misy lahatsoratra iray aza milaza fa malagasy 32 ve vao mitovy amin’ny vazaha iray (tsindrio eto) izay hajaiko tanteraka ny heviny satria moa ny hevitra tera-bary, ary harena ny fahasamihafana ara-kevitra. Tsy mitovy hevitra aminy aho satria mahafaly ahy aza ny fahitana fa ambany ny tapakila ho an’ny malagasy raha fizahan-tany no resaka.
Manaiky isika rehefa mandray vola be ny vazaha mihoatra amin’ny malagasy!
Rehefa misy vahiny sy malagasy miaramiasa eto Madagasikara ka mitovy tanteraka ny fari-pahaizana ananany, eny mety ho betsaka kokoa aza ny traikefan’ilay malagasy eto satria izy eto amin’ny taniny, ilay vahiny no mandray karama tsy toko tsy forohana avo firy heny noho ilay malagasy. Ankoatra ny karamany aza dia mbola omena izay tombontsoa hafa rehetra amin’ny maha vahiny azy izy. Manaiky anefa isika satria izay no izy. Ka raha izay fidirana anaty PN ve no mba tombony ananan’ny gasy eto amin’ny taniny dia olana be ve izany?
Fantantsika tsara anefa fa ny vidim-pidirana ihany no samihafa, fa ny karaman’ny mpitari-dalana (guide), ny hofan’ny hotely, ny vidin-tsakafo, ny hofan’ny fiara na ny saran-dalana, sns … dia mitovy daholo na gasy na vazaha rehefa mandeha amin’ireny toerana fizahan-tany ireny. Koa moa tsy efa mavesatra be amin’ny malagasy ve izany? Ny vidim-pidirana io ihany izany no mba hananan’ny Fanjakana sy MNP fahefana ny mametra azy, ary dia tena mitsinjo ny malagasy tokoa izy amin’izany, kanefa dia malagasy ihany indray no mimenomenona milaza fa fanavakavahana e, tsy rariny e, miandry velomin’ny hafa fotsiny e, sns.
Moa tena tafahoatra tokoa ve ilay fiakaram-bidy ho an’ny vazaha?
Nandritra ny taona maro dia 25.000 ariary ny fidirana tamin’ireo PN rehetra. Niakatra ho 45.000 ariary io amin’ny ankapobeny. Isalo sy Ankarana ihany no mahatratra 65.000 ariary. Fantatsika ve fa ny fidirana amin’ny vala tsy miankina (parc privé) dia 25.000 ariary mitovy na malagasy na vahiny? Ohatra raisiko amin’izany ny « Lemur Park » etsy Imeritsiantosika izay vazaha no tompony, 5ha monja ny velarany ary saika zava-maniry nambolena avokoa ny ao anatiny ary betsaka amin’ireo aza no hazo haingam-paniry toy ny kesika sy kininina. Ny biby koa dia nampidirina tao fa tsy toerany ara-boajanahary ao toy izay hita any amin’ny PN. Ny gidro kely mpivoaka alina aza anaty toerana kely mihidy no ahitanao azy ao. Gidro, sifaka, varika, maki hitanao ao amin’ny « Lemur Park » dia saika hitanao ao Tsimbazaza koa.
Tsy sanatria manao tsinontsinona ny ezaka ataon’izy ireo aho akory, izaho aza midera azy ireo, fa raha jerena amin’ny fo tsy miangatra, aiza ho aiza ny elanelana eo aminy sy ireo PN mahatratra anarivony sy analina hekitara toa an’Isalo, Ranomafana, Andasibe, sns. Koa raha izy aza mampihatra vidim-pidirana 25.000 ariary, dia tafahoatra ve raha Isalo no 65.000 ariary ary ny Tsingin’ny Bemaraha no 55.000 ariary?
Fantatsika koa fa tsy mitsahatra mihena ankehitriny ny lanjan’ny vola malagasy. Koa raha noheverina fa 18 Usd ka hatramin’ny 25Usd ny vola tokony aloan’ny vahiny tamin’ny voalohany, lasa 14 Usd (45000 ariary) ka hatramin’ny 20 Usd (65000 ariary) monja izy izao satria tsy maintsy ireo vidiny ariary ireo ihany no andoavana ny vola. Ary mbola mety hihena hatrany aza io sandan’ny ariary io. Tena lafo ho an’ny vazaha tokoa ve?
Lazaina koa fa hoe efa lafo ny fiaramanidina, hotely, sns koa nahoana no mbola miakatra koa ny tapakila. Valiny tsotra dia tsotra, fa nahoana no afaka mampiakatra ny azy daholo ireo sehatra ireo ka ny PN ihany no tsy mba afaka? Fa mpizahan-tany iza intsony moa no ho avy eto raha toa ka potika sy rava ireo PN ireo na ratsy karakara tanteraka nohon’ny tsy fahampian’ny vola hitantanana azy? Sa ny banky mondialy sy mpamatsy vola hafa no andrasana hanampy ny MNP mandrakizay? Etsy andaniny anefa betsaka koa no mimenomenona raha vao hoe vola omen’ny mpamatsy vola no ianteherana.
Mitokona ny mpitarika any Isalo
Raha ny vaovao heno dia niteraka fitokonana ho an’ireo mpitari-dalana ity fiakaram-bidy ity ho an’ny PN Isalo manokana. Fihetsika izay mampitolagaga tokoa. Araka ny voalaza etsy ambony anefa dia mahazo tombony hatrany izy ireo satria ny mpitsidika rehetra na gasy na vazaha dia mitovy hatrany ny vola aloany ho an’ny mpitari-dalana. Voalaza koa fa hoe nihena be hono ny mpitsidika noho io fiakaram-bidy io ka izay no mahatezitra azy. Efa fomban-dramalagasy loatra ity mitokona lavareny ity isak’izay mahatsiaro hany ka hatramin’ny guide avy lasa mitokona (vakio ato).
Misy koa gazety namoaka io vaovao io, nahavariana aza fa tratran’io fahadisoam-baovao io hatramin’ilay gazety ankafiziko indrindra, heveriko fa tena matotra ary tsy tapaka aho mividy azy isan-kerinandro. Ny laharana izay nivoaka tamin’ny zoma teo dia nilaza tao anaty lahantsoratra fohy fa hatramin’ny niakaran’ny tapakila dia nihena hatramin’ny 60% ny mpitsidika any Isalo. Ilay gazety anefa nivoaka ny zoma 29 octobra 2015 ary ilay tapakila tsy niakatra raha tsy ny alahady 01 novambra 2015 teo. Nisy fahitalavitra ihany koa namoaka vaovao toy izany.
Ny mpizahan-tany mihintsy anefa no nihena tamin’ity taona ity teto Madagasikara nohon’ny antony efa iaraha-mahalala fa tsy misy ifandraisany amin’ny fidirana anaty parka. Mila fotoana lavalava aman-taonany aza vao tokony ho fantatra ny fiatraikan’ny fiakaran’ny tapakila amin’ny habetsahan’ny mpizahan-tany amin’ny alalan’ny fanaovana tomban’ezaka (évaluation) tokony ataon’ny MNP. Ny resaka ankoatra izay dia heveriko fa filam-baniny ihany angamba.
Farany, rehefa bodoin’ny vazaha ny tany, alainy koa ny ranomasina sy nosy kely manodidina, rehefa ny vahiny no mahazo tombony amin’ny zavatra maro eto Madagasikara, moa tsy sorena sy mimenomenona daholo va isika? Ka eto indray ny malagasy no mba omena tombony mihoatra nohon’ny vahiny, mbola fimenomenomana koa va no tokony ho setriny? Marina mihintsy ny voalazan’ilay lahatsoratra hoe Aretina mikiky izay nivoaka tao amin’ny Madagascar Tribune izay mikasika ny fimenomenomana tsy misy fiafarany eto Madagasikara. Ireo mpizahan-tany vahiny nanontaniana aza moa tsy mametraka olana amin’ireo saram-pidirana vaovao ireo, fa dia isika malagasy indray no sarotiny, mitokona sy tsy faly. Tena mampitolagaga !!!
P.S: Marihina hatrany fa ny zavatra voalazako eto dia hevitro manokana amin’ny maha mpanoratra bilaogy ahy.




Hita tokoa hoe samy manana ny fomba famaky ny olona tsirairay, tsara izany…
ny tian’ny mpanoratra holazaina tamin’iny teny iny dia tsy hitanao hatramin’ny farany…tsy resaka hoe tsy mety, tsy rariny, mahakamo ny fampiakarana ny vidin’ny fidirana hoan’ny vahiny (eny napetraka tao koa hoe dia ahoana marina moa zany ny hatao rehefa misy fianakaviana mifangaro tonga ao? rehefa hita hoe fotsy ve dia tonga dia omena sarany vahiny? dia rehefa hita hoe mainty na manao gasy endrika dia omena sarany gasy? nefa ny mahagasy sy ny mahavahiny tsy mijanona amin’ny fahitana ivelany sy ny taratasy fotsiny…mety misy Malagasy te hanana ny zom-pirenena malagasy fa noho ny lalàna mikasika ny zom-pirenena dia tsy afaka izy na sarotra be, mety misy vazaha manana zom-pirenena malagasy nefa sady fotsy no manana anarana vazaha, dia ahoana amin’izay ny hatao?) Ny tena resaka dia hoe nahoana no hiantehatra foana amin’ny mpizaha_tany vahiny isika nefa ny « conjonctures » resaka fizahan-tany tsy dia tsara loatra ary tsy dia mamporisika ny vahiny ho avy? nahoana no tsy mba milaza ny mpitondra sy ny fanjakana amin’ireo manan-katao hoe ndana mitsidika ny harentsika fa tsy ny fitsidihina any ivelany no hifaninanana? zay le hevitra lehibe nozohina tao fa tsy haiko hoe hafa zany no nazahon’ny mpamaky azy…
Tsara ny miantehitra amin’ny hafa satria mety zay aloha zao no azo hatao fa maninona raha ny olona eto an-toerana no entanina voalohany handeha any?
Ary dia raha namaky hatramin’ny farany ianao dia ny teny famaranana hoe : mitovy zo sy mitovy amin’ny vahiny iray avokoa ny Malagasy iray ka isika no tokony hitsangana voalohany hanampy ny tenantsika sy hifanentana fa tsy hiandry ny any ivelany foana!
J’aimeAimé par 1 personne
Azoko tsara mihintsy ny tianao ambara. Voalohany aloha ity lahatsoratra ity tsy hoe sanatra natao hamaly bontolo ilay billet « gasy 32 vazaha iray », fa ho an’ireo hafa marobe ihany koa izay manao tsikera momba ilay fiakaran’ny tapakila izay hita @ FB sy sehatra hafa. Raha ny hevitra avoakan’ny mpanoratra ilay bilaogy namana aza h@ izay dia hitovizako hevitra aminy hatrany fa sambany somary tsy nitovy hevitra izahay teto, tsy maninona izany fa tsy voatery hitovy foana tsinona.
Marina mihintsy hoe tsy tokony hiantehatra @ hafa fa ny fijeriko azy hatreto aloha ny zava-misy dia vahiny daholo no tena mitsidika PN eto amintsika ary voaporofo @ antotan’isa izany. Ka rariny raha miainga @ izay ny kajy heverina fa hampiakatra haingana ny fidiram-bola @ ireo PN ireo tsy hampiankin-doha be azy @ mpamatsy vola.
Ny fanentanana ny malagasy kosa dia heveriko fa tena tokony atao saingy tsy hahita vokatra vetivety @ io mihintsy isika satria ankoatra ny fahasahiranana ara-ekonomika dia ilay toe-tsaina sy fombantsika mihintsy izay efa raiki-tapisaka h@ izay mbola ho ela vao hiova raha fizahan-tany eto Mkara no resahina.
Farany, izaho dia mihevitra foana hoe rariny raha omena tombony ny malagasy @ zavatra toy itony. Ary ny olana aza efa omena tombony toy izany ny malagasy nefa mbola vitsy no mandeha mitsidika ireny PN ireny, mainka moa fa hoe ampiakarina be indray koa ny fidirana ho azy?
J’aimeJ’aime
Tsy nahita an’ilay resaka be amin’ny tamban-zotra isan-karazany aho, fa ny tena manahirana ny saina koa le mahita an’ireo manan-katao Malagasy zay tokony hifampitarika hampiroborobo ny fizahan-tany eto an-toerana izay mifanina kosa anefa amin’ny fandehanana any ivelany! Mitovy ihany le hevitra raha ny fandinhiko manokana azy! tsy mitsikera ny tombony omena ny Malagasy, fa hoe aleo mba mitady hevitra hafa indray e! Ohatra tsotra afaka omeko dia ny tenako dia tsy mba afaka nandeha tamin’ireny parcs nationaux ireny taloha, satria ny miraikitra ao an-doha dia lafo sy hoan’ny vazaha izy ireny, indray andro anefa dia nahita fanentanana tamin’ny fahitalavitra fa nisy irony « colonie de vacances » nokarakarain’ny Angap Fianarantsoa (tamin’ny fotoan’androny) miaraka amin’ny association…vidiny mirary no nataony ary tafiditra tao daholo na ny sakafo na ny fatoriana (eny na fatoriana ankalamanjana aza :p ). Inona fa teo vao tonga saina izahay mianakavy fa tsara tokoa le valanjavaboahary misy eo amintsika ary azon’ny Malagasy handehanana tsara…ary nanomboka tamin’izay vao nandeha navitrika amin’izy ireny…ka zay le hevitra hoe mila entanina ny Malagasy handeha amin’ireny fa sady ny vidiny mirary no mety hahatonga saina ny tsirairay le izy sy mety ihany koa ahasaro-piaro azy…ary le resaka colonie de vacances io dia mbola mitohy hatramin’izao ka asa na fikarakarana ohatran’ireny no tokony hampiroborobona betsaka eto amintsika!
J’aimeJ’aime
Ilay colonie de vacances tena tokony hampiroboroboina mihintsy mba hahafahan’ny ankizy mandeha mahita tany eto Mkara. Ireo ankizy ireo avy eo no hanova tsikelikely ny fomba fisainana mba ho tia mitety ireo PN eto amintsika rehefa lehibe izy.
Ankoatra izay, isika efa resy lahatra mila manao ezaka mafy amin’ny fanentanana ny olona. Izay mihintsy moa ny ahy no antony nanaovako ity pejy ity mba hitantarana @ olona ny hakanton’ny Gasikara sy hampahafantatra ireo toerana izay mety mbola misy tsy mahafantatra.
J’aimeJ’aime