Ny tarika Mahaleo no anisan’ny mpanakanto malagasy tsy mba mety lefy laza ary ankafizin’ny olona maro satria tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga ary miandahy miambavy. Ity lahatsoratra eto ity dia mitantara fohy ny fampisehoana amin’ny andro alina niarahana tamin’ny tarika Mahaleo farany teo tao amin’ny efi-trano malalaka iray eny Avaradrano eny. Raha fehezina amin’ny teny indraimbava ny zava-nitranga dia tsorina hoe : «Nahafinaritra ». Eto sady mikalikaly, no misotrosotro kely no mihirahira be. Dia revo tokoa moa izany. Adino ao anatin’ny ora vitsy ny sorisory andavanandro vokatry ny adilahy politika sy rotorotom-piainana. Tsy misy intsony koa eto ny sefo sy mpiasa tsotra fa iray fo sy saina ny rehetra, atambatry ny fitiavana vazo an-gitara.
Rehefa Homam-bary olona (20 :00), nanomboka niditra miandalana ny mpijery. Somary lafo ny vidim-pidirana satria tafakatra telo alina ariary nefa dia feno hipoka ny trano. Ankoatra ny tapakila anefa dia mahavariana fa mitsangana eny ambony latabatry ny betsaka ny zava-pisotro lafo vidy toy ny J&B sy JW amin’ny vidiny iray hetsy ariary, arahin’ny akoho voatono tanaty lafaoro sy tsakitsaky tsara tsiro maro isan-karazany. Dia tanteraka mihintsy ilay hoe rehefa mirevy dia tsy ankitsitsy, fa midika ihany koa hoe tsy ny malagasy rehetra akory no mahantra fadiranovana. Saiky tanora zokiny mitovitovy revy daholo ny tao, ary tsy nahitana an’ireo mpanao politika malaza heverina ho mpangoron-karena amin’ny tsy rariny.
Rehefa iny Tapi-mandry olona iny (21:00), niaka-tsehatra ny tarika ary dia « Hiaraka Isika, na tomany na sariaka » no redonin’ny besinimaro. Na tsy voatery mifankahalala aza ny iray latabatra, hita ho mitovy tadin-dokanga avy hatrany ka zary lasa toy ny mpinamana mandrapahatapitry ny fety. Tsy misy hira vaovao fa dia mitamberina daholo kosa ny hira hatrizay. Izay mihintsy anefa ilay mahafinaritra. Izay mivoaka babany avokoa ary tsy misy hira iray ka tsy hain’ny mpijery.
Mivoaka mpamosavy (22h00), injao manakoako avy eny Avaradrano ny « Isekely ihany no secret_ko, Tsy lazaiko n’iza n’iza » dia tabataba tsy misy fiafarany. Mifanorokoroka sy mifamihimpihina ry mpifankatia maheno ny « Ianao no nofidiako re rahavana, nomeko fitiavana».
Tonga ny Mamatona alina (23:00), miakatra avo ny maripana rehefa injay ny hiran-dRaoul ifandimbiasan’i Dama sy Dadah ary Fafah. « Sao dia ataon’ialahy hoe mamo lava leisy aho », nefa hita mihintsy hoe avy nigoka vera misy alikaola maro ny tary sasany. Misy aza efa dizina be tsy voatana fa lasa nanantona ny sehatra, ny tavoahangy eny an-tanana ihany, izy toa tsy tompon’ny tenany intsony. Tsy maintsy misy foana ny maningana, nefa atao akory fa mampiavaka ny ambiansy Mahaleo daholo izany.
Mitsangana ny rehetra sady mikiakiaka hoe : « Naondrany avokoa, sokatra sy vatosoa, dia bois de rose koa. Dia lazainy fa krizy, nefa ny azy ny valizy, efa tsy omby ireo devizy». Hira izay mahalaza tanteraka ny zava-misy ankehitriny na dia efa roapolo taona mahery aza no namoronana azy. Porofo mitohoka amin’ny tendany fa tsy lefin’ny vanim-potoana ny hiran’ny Mahaleo. Ny tonon-kira rahateo mikoriana midina manaraka ny hira ery amin’ny rindrina anoloana ery ho an’ireo izay efa very tadidy.
Mahaleo ihany anefa avy eo no mampitandrina ireo zatra mpanao hitsin-dalana, arahin’ny mpijery marobe mihiaka hoe: « Mihodikodina leisy ity tanintsika ity, sao ialahy ka mikodia ». Tsy ifandrenesana eo ny eran’ny trano.
Rehefa injao Misasakalina (00:00), na lahy na vavy tsy misy azo laizina fa mihorakoraka avokoa rehefa handeha ilay « Areheto ny jiro, ny ankajonao ampidiro » izay hirain’i Dadah. Nahoana mihintsy moa ? Satria samy nandalo teo daholo angamba? Tsy lazaina intsony ny hafalian’ny vehivavy mihira ny « Embona sy hanina », arahin’ny besobe gadradraka ataon’ny lehilahy efa mamomamo amin’ny « Somambisamby ». Raikitra ihany koa ny «Antanambao re no eto, raha toa ka tsy fantatrareo», izay hira tsy mety lany manja ary mampiboredika ny eran’ny trano miaraka amin’i Bekoto. Ilay fety rahateo natao teny Antanambao Soavinimerina.
Mitrena ombilahy (1:30), efa mihalany ny alikaola, betsaka no efa tonga amin’ny tampon-kavoana, misesisesy ny « Voasary mamy », « Gasikara ve ho aiza e ? », arahin’ny fanontaniana tsy misy fiafarany efa ho telopolo taona izao : « Rahoviana vao hitranga, ka ho tonga i Bemolanga ? ». Asa angamba atsy ho atsy tokoa satria toa efa an-dalana hono hoe ny fitrandrahana menaka mavesatra avy ao Tsimiroro.
Farany, tsy tambo isaina ireo lasa gaigigaigy midradradradra sy manesoeso ny Zanak’i Ndrema hoe : « Zanak’andevo tsy mahatehotia, zanak’alika tsy vita sonia. Jomaka, Jomaka, Jomaka ». Izay tsy mitsangana eo kely ila hoy ny vazivazy fiteny.
Maneno sahona sy Mody mpamosavy (02 :00), malai-misaraka nefa tsy maintsy mirava, ry Mahaleo koa efa manomboka mahazo taona, ny hany sisa azo atao dia ny « Bon voyage sy bon courage ianareo ».
Tapitra ny fety, indreny mody mitanjozotra ny fiara marobe avy eny avaradrano. Manondro amin’ny roa sy sasany maraina ny famataran’ora, Mivoaka ny goaika ary Misafo helika ny kary, fa mitohana tampoka kosa ny fifamoivoizana eny Sabotsy Namehana. Na izany aza feno hafaliana ny rehetra ary mitohy ny hirahira eny an-dalana.
Tafody an-trano ihany ary niditra anaty bodofotsy rehefa Naneno akoho (3:00). Nisesisesy ny ora ka Naneno fitatra (3:30), avy eo Nazava ratsy (4:00), dia Nifoha olo-mazoto (4:30), ary Nifoha olona (5:00) fa izaho kosa vao nanomboka renoka tanaty torimaso mamy ary tsy niala teo am-parafara raha tsy efa Nivoaka omby tera-bao (9 :30), hany ka efa Antoandro be nanahary (10 :00) vao vita omana lasa nivoaka ny trano indray.
Rahoviana indray ny manaraka ry Mahaleo tsy mba mankaleo ?
Mankasitraka tompoko @ fanomezana lanja ny teny sy ny kolontsaina ary indrindra ny fizahantany malagasy. Tsy dia mpamaky loatra itony blog itony aho fa mba nahasarika ahy kosa ity iray ity satria mitantara vaovao tsara momba an’i Gasikara. Tsy afaka ny handroso tokoa isika raha dia hifantoka @ lafy ratsin’ny fiainana hatrany. Mankahery tanteraka, tena tsara fa tohizo !!!
J’aimeAimé par 1 personne
Misaotra betsaka indrindra @ fankaherezana
J’aimeAimé par 1 personne
A reblogué ceci sur REDIREDIN-DRASAMYet a ajouté:
Ity lahatsoratra ity dia nataoko tao amin’ny « Blog de Rasamy » efa tamin’ny volana jona 2016. Indro averiko atao eto amin’ity bilaogiko amin’ny teny malagasy Rediredin-dRasamy ity indray, satria ato no mety kokoa aminy.
J’aimeJ’aime